Dia nanao fiara tamin'ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny.
Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin'ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian'i Jehovah ahy.
Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany.
Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.
Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly;