Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny taniny.
Mandosira hiala an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
Manangàna faneva eo akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona.
Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
Nitsahatra tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana.
Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
Toy ny nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony.
Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.