Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany no hahalotoany.
Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.
Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.